mardi 16 octobre 2012

Inona marina izany fiofanana HHO izany?

Inona no tena ampianarina?
fomba fanamboarana ny fitaovana anakiray antsoina hoe "generateur d'hydrogène" , izay no tena ampianarina, ary ny tanjona amin'izany dia ny ahafahan'ny mpiofana mamadika ny RANO ho lasa Gaz inflammable HHO ( mirehitra avo folo heny amin'ny carburant mahazatra anao) mba ho atao fanampin'ny solika.

Azo amboarina eto antoerana ve izany io fitaovana io?
Eny, azo amboarina amin'ny zava-misy eto antoerana io fitaovana io, ary tsy mandany vola ny fanangonana ny kojakoja rehetra ilaina aminy, fa eo amin'ny 25 000 fmg hatramin'ny 150 000 fmg eo ho eo (arakaraky ny toerana hividinanao ny kojakoka) dia efa ampy
(izay nanao éléctrolyse tany amin'ny kilasy fahatelo (3ème) dia tokony mora ahazo ny fiasan'io système io,


Tsy manimba moteur ve io HHO io?
TSIA , tena tsy manimba moteur ny HHO , ny mifanohitra amin'izany aza no zava-misy satria manampy amin'ny fandevonana tanteraka ny carburant lasa ao anaty moteur izy, ary mihena 90% ny loto mivoaka amin'ny échappement

Mila olona mahay mécanique ve ny mianatra azy?
Tsia tsy voatery ho olona mahay mecanique ny mpiofana, fa mila mahazo teny frantsay kely fotsiny (niveau 3ème), ny olona rehetra dia afaka manaraka ny fiofanana avokoa...

Aiza ho aiza no ametrahana ilay fitaovana HHO?
tsy mila manokatra motera na mamaha motera rehefa mampiasa ny HHO, atoro anao mandritra ny fiofanana ny fomba fametrahana azy, ary azo esorina ao anatin'ny minitra vitsy izy rehefa tsy ilaina, dia miverina toy ny teo aloha ny fomba fiasan'ny moteranao avy eo

Misy amidy eto ve io fitaovana HHO io?
Hatreto aloha dia tsy misy mivarotra eto Madagasikara io fitaovana io, , fa raha manafatra any ivelany ianao dia eo anelanelan'ny 750 000fmg hatramin'ny 9 000 000fmg ny vidiny (arakaraky ny fiara hampiasaina azy sy ny kalitaon'ny fitaovana, ary ny orinasa mpanao azy), marihinay anefa fa saiky vita tanana (fabrication artisanale) avokoa ireo fitaovana avy any an-dafy ireo,


Aorian'ny fiofanana in-4 misesy dia hanomboka ny famokarana io fitaovana eto Antananarivo,
Fa saingy ao anatin'ny dingana voalohany aloha izahay, dia ny fanaparitahana ny système HHO sy fitsirihana ireo mpiofana na teknisiana ary mpamatsy fitaovana afaka hanampy ny mpiara-miasa aminay .
  • 1er formation volana sept
  • 2ème promotin volana oct
  • 3ème promotion volana Novembre
  • 4ème promotion volana décembre
  • Fanombohana ny fivarotana ny fitaovana: febroary 2013
Inona avy ny tombotsoa azo avy amin'ny gaz HHO?
Ankoatry ny fampiasana azy amin'ny fanampiana ny solika @ fiara, dia azo hanaovana soudure na challumeau à eau , ihany koa ny entona HHO avy amin'ny rano, ary azo handrahoana sakafo ihany koa ny entona HHO avy amin'ny rano (atao solon'ny entona fandrahoana sakafo)

Inona avy ireo tombotsoa hafa hoan'ny mpiofana?
Misy ny fiche technique izay omena ny mpiofana, miampy CD videos ahitana video miisa 40 eo ho eo ,izay maneho ny fomba fanamboarana ilay fitaovana sy ny fampiasana azy ary ny vokatra efa azon'ny olona eran-tany aminy....

Maharitra adiny firy ny fiofanana, iza no mampiofana sns?
Indroa miantoana no miofana , izany hoe 4 ora miverina in-droa (totaliny 8 ora)
ny mpampiofana dia Malagasy tsotra, nianatra mikasika ny electrotechnique sy mécanique auto.

Nahoana no tsy malaza sy tsy mbola heno mihiintsy ity resaka ity?
Tamin'ny taona 1998 (tany Amerika) ity sytème HHO ity vao nisy nampihatra, na dia efa ho 70 taona lasa aza no efa nisy nahita, ary miparitaka eran-tany ireo mpampiasa azy. Na izany aza dia maro ny olona izay mety ho very tombotsoa amin'ny fiparitahan'ity système HHO ity, toy ny mpivarotra solika sy ny mpivarotra piecen'ny fiarakodia maro, (satria mampihena ny chiffre d'affaire, manimba "bizna", kanefa ny RANO dia sady mora vidy no betsaka maneran-tany) tsy mahagaga raha misy ny fanaratsiana sy ny fanatsatsoana mikasika ny HHO  mba ho vitsy no ahalala sy hampihatra azy.... (mety hisy avara-pianarana hanohitra ny fahombiazan'ny HHO mihintsy aza!) raha mila porofo mikasika ny maha mety na tsy mampandeha ny RANO atao fanampin'ny solika ianao dia sary sy videos, na jereo ety anila etsy ny videos...

Rahoviana no misy fiofanana manaraka?
Eto Antananarivo no misy ny ekipa mpikarakara, ary eto aloha no misy ny fiofanana:
  • Efa tamin'ny volana septambra 2012 ny fiofanan'ny andiany voalohany: olona 41 no niofana
  • tamin'ny volana oktobra 2012 ny fiofanana andiany faharoa; olona 58 no vita fiofanana
  • amin'ny 4 novembre no miditra ny fiofanana andiany fahatelo , ary ho izan'izany ianao!
Antsoy ny  033 72 107 48 raha mila fanampim-panazavana ianao, ny saran'ny fiofanana dia 25 000 Ariary na 125 000fmg

Afaka miara-miasa ve?
Eny afaka manome fiofanana ny sokajin'olona na vondron'olona rehetra izahay, na sekoly io na fikambanana, mba hanaparitahana ity fomba hafakely sy vaovao ity.

Fa maninona izahay no manao izao fampiofanana izao?
Antony lavitrezaka no tena manosika anay hanao izao fampiofanana izao: dia ny fikajiana sy ho fanavotana ny tontolo iainana!!!

Rah tsy afaka mamonjy ny fampiofana izay ataonay ianao dia afaka manao fikarohana na mitsidika site maromaro amin'ny aterneto, (tapez wet cell hho na dry cell hho sur google)
na tsidiho ohatra itony karazana site itony: //ecoconso.doomby.com/pages/hho.html ECOCONSO

Andrilaza RAMAMBASON (Zoky Andry)
033 14 764 43

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire