lundi 29 avril 2013

Vita ny 6è Promotion



Vita ny 6è promotion :

Vita soa amantsara indray iny fiofanana « HHO » andiany faha enina iny, marobe ireo mpiofana tonga nanatrika ary isaorana lehibe ireo izay avy any antsirabe, indrindra fa ireo izay avy any fianarantsoa satria nanao dia lavitra ezaka tokoa izireo mba hanatrehana ity fiofanana HHO Madagascar ity.

Ny nampiavaka ity andiany faha enina ity dia ny fandraisananjaran’ireo mpiofana zokiny, izay tonga ihany koa nampiseho ny zava-bitany tamin’ny fiara « expresse » (mr Vonjy) sy ny HHO mandeha amin’ny scooter (isaorana mr Jean Pierre). Nahafaly sy nahavelombolo ny mpiofana tokoa ny fahitana « porofo mivantana » toa ireny…..

Nohon’ny tsy fahafantarana moa dia nisy ireo nihevitra fa ny alahady maraina no atao ny fiofanana kanefa raha ny toromarika nomena dia amin’ny tolakandro no tena izy.

Mankasitra antsika rehetra, ary manantena antsika rehetra mba samy hikaroka sy hanatsara ity teknika ity ary ahazo vokatra mihoatra lavitra noho izay andrandraintsika rehetra.

Anisan’ny nanamarika ahy omaly ny tenin’ireo mpiofana avy any Fianarantsoa izay nangataka ny hanaovana fampiofanana toy izao ihany koa any amin’ny faritany ivelan’Antananarivo.

Ho avy eo ny sary rehefa kelikely.

lundi 15 avril 2013

FORMATION 28 AVRIL (6è Promotion)

Raikitra indray ity e!
Hisy fiofanana andiany faha enina sy fahafito amin'ny 28 aprily sy 12 mai izao, ny tena mampiavaka io fiofanana io dia hisy ny fanehoana imaso imaso ny fiara anakiray izay mampiasa ny HHO  ( isaorana ny 5è promotion)
aza hadino ary
6è Promotion, alahady 28 Avril @ 14h, EPP Andavamamba, 7è Promotion, ny 12 Mai ..
contact 033 14 764 43 - 032 24 054 23

Droit de formation 1 5000 Ar , tongava raha te ahita ny fitaovana efa miasa amin’ny fiara