jeudi 17 janvier 2013

Voka-pikarohana mahavariana ! porofo mivaingana !!

Rakotomamonjy Salohy Fenosoa (mipalitao mainty) sy ny mpanabe nanampy azy,  mampiseho ny voka-pikarohana
Ny gzety ao raha no nitatitra ity vaovao vao mafana ity, toy izao ny filazany azy 
"....Mikaroka ny mpianatra malagasy. 16,50/20 miampy ny fanamarihana «Tena tsara», avy amin’ny mpitsara, no naotin-dRakotomamonjy Salohy Fenosoa, teny amin’ny LTP Alarobia, omaly. Tohin’ny fampahafantarana ny voka-pikarohana nataony, ho famaranana ny taona faharoa lalam-piofanana «génie électrique», ka nahazoany ny mari-pahaizana «Brevet de technicien supérieur» io.

Nisongadina tamin’ny voka-pikarohany ny fahafahana mampihena hatramin’ny 60% ny fandaniana solika ho an’ny fiarakodia sy hiarovana ny tontolo iainana. «Karazana fitaovana antsoina hoe «modulateur d’impulsion» no namboarina, nanaovana ny fikarohana. Ahazoana mibaiko ny rianaratra, hanairana ny fitambarana rano sy pôtasiôma hamokarana entona izy io»,
hoy ny fanazavan’i Salohy.

Source texte et photo: "Ao raha"

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire