lundi 29 avril 2013

Vita ny 6è Promotion



Vita ny 6è promotion :

Vita soa amantsara indray iny fiofanana « HHO » andiany faha enina iny, marobe ireo mpiofana tonga nanatrika ary isaorana lehibe ireo izay avy any antsirabe, indrindra fa ireo izay avy any fianarantsoa satria nanao dia lavitra ezaka tokoa izireo mba hanatrehana ity fiofanana HHO Madagascar ity.

Ny nampiavaka ity andiany faha enina ity dia ny fandraisananjaran’ireo mpiofana zokiny, izay tonga ihany koa nampiseho ny zava-bitany tamin’ny fiara « expresse » (mr Vonjy) sy ny HHO mandeha amin’ny scooter (isaorana mr Jean Pierre). Nahafaly sy nahavelombolo ny mpiofana tokoa ny fahitana « porofo mivantana » toa ireny…..

Nohon’ny tsy fahafantarana moa dia nisy ireo nihevitra fa ny alahady maraina no atao ny fiofanana kanefa raha ny toromarika nomena dia amin’ny tolakandro no tena izy.

Mankasitra antsika rehetra, ary manantena antsika rehetra mba samy hikaroka sy hanatsara ity teknika ity ary ahazo vokatra mihoatra lavitra noho izay andrandraintsika rehetra.

Anisan’ny nanamarika ahy omaly ny tenin’ireo mpiofana avy any Fianarantsoa izay nangataka ny hanaovana fampiofanana toy izao ihany koa any amin’ny faritany ivelan’Antananarivo.

Ho avy eo ny sary rehefa kelikely.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire