lundi 10 décembre 2012

Nigadona ny fiofanana andiany faha 4

Ela ny ela ka nigadona amin'ny andiany faha efatra ny fiofanana HHO Madagasikara,
Vato sy Vy azo atambatra @ soudure mandeha @ rano
Nisy teo amin'ny 22 isa ny mpiofana tonga tamin'ny alahady 09 Déc teo, ary tena nahitana karazan'olona isan-karazany tonga niofana (mpampianatra, mpikaroka, mecanicien, olon-tsotra sns, nahitana renim-pianakaviana mpitarika fikambanana iray (izy novavitokana tamin'ity fiofanana andiany faha efatra ity)
ny système A.V.E.C sy ny WET CELL no noresahana sy nampianarina tamin'ny andro voalohany iny fa 
mbola hitohy amin'ny alahdy 16 déc ny fiofanana. amin'izay andro faharoa izay indray dia  ny DRY CELL sy ny système PANTONE indray no horesahana sy ampianarina.
amin'io fotoana io ihany koa no hizarana ny fiche technique sy ny DVD hoan'ny mpiofana!
Tena tiako ilay tenin'ny mpiofana rehefa hifarana iny,  izay nanao hoe "tsy mahatsiaro voambaka izahay e!" Misaotra tompoko , fa tena mampahery anay ireny teny madinidinika atsipinareo ireny!
Tsy mbola fantatra na hisy andiany fahadimy izy ity na tsia, fa dia isaorana eto avokoa isika izay niofana tao anatin'izay andiany efatra (Septambre- Oktobra-Novambra-désambra) izay.
raha misy manana olana , na mbola manana fanotaniana dia antsoy ny laharana 033 14 764 43!
Samia mampihatra fa manjary maty antoka raha niofana ihany kanefa tsy nanandrana e!
Zoky Andry

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire